Mardi 09 septembre 2008
Lohahevitra : Ny fifandraisan'ny zanaka sy ray aman-dreny eo anivon'ny fianakaviana
" Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany."(Kolosiana 3:20 )
Zava-dehibe ho an'Andriamanitra ny fankatoavantsika ny ray aman-drenintsika, araka io voalaza io. Ka aoka samy ho tanterahintsika izany hafatra izany mba ho samy ankasitrahana ao amin'ny Tompo ny toetran-tsika.
Aza adino anefa fa ny ray aman-dreny amin'ny maha olom-belona azy dia mety manana hevitra diso, na fomba tsy mety, izay tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra (ohatra : fanompoan-tsampy, finoanoam-poana, sns ...)
Aoka ary ny fankatoavana an'Andriamanitra izay Ray ambonin'ny rehetra no hataontsika loha-laharana, mba tsy ho diso isika.
Mety hiteraka fikorontanan-tsaina ho antsika izany ka hametra-panontaniana toy izao isika : " izay lazain'Andriamanitra sa ny ray aman-dreny?" "Nefa samy tsy maintsy ankatoavina ireo."
Zavatra roa, izay heverintsika ho samy hafa, no takiana amintsika. Aza manahy fa azo tanterahina miaraka tsara amin'ny fomba iray ihany izy ireo, dia amin'ny alàlan'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana (tsy miato) irery ihany
Ireo ihany dia ampy hampianatra antsika hahay hankatò ny ray aman-drenintsika amin'ny zavatra izay mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra; ary koa hahay hifanazava sy hifampianatra amin'izy reo raha sendra misy ny manana hevitra diso eo amin'ny fianakaviana.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany
Amen