Mardi 07 octobre 2008

Tenin'Andriamanitra ho antsika tanora

 

"Amin'izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro" (Levitikosy 10:3)

Isika ALI, na isika tanora kristiana rehetra, matoa tonga amin'izao toerana misy antsika izao, de tsy noho ny herin'ny tenantsika, na noho izay antony samihafa eritreretintsika amin'ny maha-olombelona antsika; fa teo ny herin'Andriamanitra izay nitarika antsika na mety tsy tsapan-tsika akory aza izany tamin'ny voalohany.

Aoka ho tsapan-tsika mandrakariva ary fa nampisehoan'Andriamanitra ny voninahiny isika, ary nataony tonga amin'izao toerana misy antsika izao mba hampandroso izany, ary zava-dehibe ho Azy sy ho antsika tokoa izany.

 

"Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, Na zanak'olombelona ka hanenina; Moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?" (Nomery 23 : 19)

Ny finoana an'Andriamanitra arak'izany dia tokony ho mafy orina tsara ao anatintsika tsirairay avy; satria raha mandeha araky ny fihevitr'olombelona isika dia ho mora diso (handainga, hanenina), ho mora very.

Ao amin'Andriamanitra irery ihany no misy ny "fahamarinana", ka aoka hamafisin-tsika mandrakariva ny finoantsika Azy mba ahazoantsika ny fiainana mandrakizay.

Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany

Amen



09/10/2008
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 109 autres membres