Ho resiko ny ahiahy - ALI (Tonon-kira)

HO RESIKO NY AHIAHY (ALI)

 

Ho resiko ny ahiahy

Mamakivaky ny alina

Ho feno hafaliana ny androko

Ianao tokiko n'aiza alehako

 

Fa fantatrao ny hafaliako

Ny tsiky izay mameno fo

Mitoetra ireny, mandalo koa

Satria Ianao masoandroko

 

Fa fantatrao ny hakiviako

Ny enjika tatazako

Mitoetra ireny, mandalo koa

Satria Ianao no tanjako

 

Fa fantatrao ny haratsiako

Ny teny izay teneniko

Mitoetra ireny mandalo koa

Satria Ianao mpampianatro

 

Fa fantatrao re ireo heloko

Ny ratsy nirobohako

Mitoetr'ireny mandalo koa

Satria Ianao manova fo



06/10/2008
4 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 109 autres membres