Envoyée le 27-10-2008
- Fianaran-kira :
Mba hanomanana ny fankalazana ny krismasy 2008 dia lasa in-2 isan-kerinandro ny fotoana fianaran-kira :
- Talata : fotoana : @ 6 ora
Toerana : Lycée privée Ambinintsoa Alarobia
Fandaminana : miara-mody avokoa ny avy eny Ivandry ka ny lehilahy rehetra dia manatitra ny vehivavy rehetra izay vao mody.
- Alakamisy : fotoana : @ 6 ora
Toerana : Akany fitiavana Ivandry
- Fifaninanan-kira :
Noho ny fankalazana ny Alahadin’ny Taniketsa ny 30 novambra ho avy izao, dia mikarakara fifaninanan-kira isika, ka misy sokajy taona 2 izany :
- Sokajy voalohany : 8 - 14 taona
- Sokajy faharoa : 15 - 20 taona
Ny fisoratana anarana dia manomboka anio 27 octobra 2008 ka hifarana ny 15 novambra 2008 ao am-piangonana (Sacristain) . Marihina fa voafetra ny isan’ny mpandray anjara.
- Ny fifanitsanana dia atao ny 22 novambra 2008 ao @ Lycée privée Ambinintsoa Alarobia manomboka @ 8 ora maraina.
- Ny ankatoky ny famaranana dia atao ny 29 novambra ao @ Akany fitiavana Ivandry manomboka @ 8 ora maraina.
- Ny famaranana dia atao @ alahadin’ny Taniketsa ny 30 novambra 2008 tolakandro.
Fitsipika :
- Misokatra ho an’ny olona rehetra ny fifaninana
- Hiram-pivavahana no hifaninanana (Evangelique)
- Acapella no anaovana ny hira @ fifanitsanana ka samy misafidy izay hira tiany ny mpifaninana
- Izay tafakatra @ ankatoky ny famaranana dia mifidy hira iray @ izay atolotry ny mpitsara ka omena azy herinandro mialoha ny play-back.
- Ezaka hataon’ny ALI :
Misy ezaka maromaro ho tanteraha-tsika ato ho ato :
- T-shirt ALI.
- Lecteur CD sy ampli kely (hianaran’ny taniketsa hira.)
- Armoire ALI.
T-shirt ALI :
- Entanina isika mpikambana mba hanolotra soso-kevitra @ ny hanaovan-tsika ny T-Shirt antsika (endriny, lokony,…) ka @ Talata 02 desambra no fe-potoana farany anateran-tsika izany any @ president.
- Entanina koa isika izay mahalala olona mpanao T-shirt, mba haka prix any aminy, na koa ireo mahalala olona any @ ireny zone franche ireny ka mahafantatra ny fomba fanaovana commande any @ ireny toerana ireny (marihana mantsy fa any amin’ireny no misy qualité tsaratsara) dia @ Talata 02 desambra ihany koa no fe-potoana farany anateran-tsika izany any @ president.
Ireo ezaka manaraka ireo dia ho lazaina amintsika miandala eny ny mombamomba azy.