Vaovao 13 octobre 2008

Envoyée le 13-10-2008

- Fotoampivavahana eny Mahamasina :

Ny Alahady 09 novembre 2008 dia hikatona daholo ny fiangonana fa hiara-mivavaka eny Mahamasina isika.

Hitambatra hiara hihira ny chorale rehetra ary hira 10 no atao (izay efa manomboka ianarantsika izao)

sabotsy maraina 08 novembre :  amin'ny 08h30, dia hisy fihaonantsika chorale ao amin'ny FJKM Andravoahangy Fivavahana

alahady 09 novembre : amin'ny 07h30 no fotoana hidirantsika chorale ao Mahamasina (toerana : Tribune latérale à gauche)

Tenue : ambony Fotsy; ambany Mainty

 

- Vaomiera :

Betsaka ny efa niditra vaomiera tamin'ny répétition sabotsy teo ka  manentana antsika izay mbola tsy ao anatin'izay mba hanampy azy ireo

 

- Noël :

Aoka samy hiezaka ho avy amin'ny répétition isika fa efa manomboka zaraina "rôle" izay tonga ao. Ary maro ny hira efa ianarantsika


Retour aux archives