Ho resiko ny ahiahy - ALI (Tonon-kira)
HO RESIKO NY AHIAHY (ALI)
Ho resiko ny ahiahy
Mamakivaky ny alina
Ho feno hafaliana ny androko
Ianao tokiko n'aiza alehako
Fa fantatrao ny hafaliako
Ny tsiky izay mameno fo
Mitoetra ireny, mandalo koa
Satria Ianao masoandroko
Fa fantatrao ny hakiviako
Ny enjika tatazako
Mitoetra ireny, mandalo koa
Satria Ianao no tanjako
Fa fantatrao ny haratsiako
Ny teny izay teneniko
Mitoetra ireny mandalo koa
Satria Ianao mpampianatro
Fa fantatrao re ireo heloko
Ny ratsy nirobohako
Mitoetr'ireny mandalo koa
Satria Ianao manova fo


Commentaires
rado le 24/02/2009 à 08:00:49Ity hira ity ah de hira t@ teny allemand no navadika t@ teny gasy i Mr Mino sy le oul 1 tsy tadidiko no namadika az.Sonn no nanao ny arrangement
Andosoa le 24/02/2009 à 08:15:05
mba omeo enoinay lé izy @ teny allemand hihihi
rado le 26/02/2009 à 10:07:55
aleo angamba adressena an Mr Mino ny fangatahanao
Andosoa le 27/02/2009 à 08:37:49
ok ary e!