Mardi 09 septembre 2008

Lohahevitra :  Ny fifandraisan'ny zanaka sy ray aman-dreny eo anivon'ny fianakaviana

" Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany."(Kolosiana 3:20 )

Zava-dehibe ho an'Andriamanitra ny fankatoavantsika ny ray aman-drenintsika, araka io voalaza io. Ka aoka samy ho tanterahintsika izany hafatra izany mba ho samy ankasitrahana ao amin'ny Tompo ny toetran-tsika.

Aza adino anefa fa ny ray aman-dreny amin'ny maha olom-belona azy dia mety manana hevitra diso, na fomba tsy mety, izay tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra (ohatra : fanompoan-tsampy, finoanoam-poana, sns ...)

Aoka ary ny fankatoavana an'Andriamanitra izay Ray ambonin'ny rehetra no hataontsika loha-laharana, mba tsy ho diso isika.

Mety hiteraka fikorontanan-tsaina ho antsika izany ka hametra-panontaniana toy izao isika : " izay lazain'Andriamanitra sa ny ray aman-dreny?" "Nefa samy tsy maintsy ankatoavina ireo."

Zavatra roa, izay heverintsika ho samy hafa, no takiana amintsika. Aza manahy fa azo tanterahina miaraka tsara amin'ny fomba iray ihany izy ireo, dia amin'ny alàlan'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana (tsy miato) irery ihany

Ireo ihany dia ampy hampianatra antsika hahay hankatò ny ray aman-drenintsika amin'ny zavatra izay mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra; ary koa hahay hifanazava sy hifampianatra amin'izy reo raha sendra misy ny manana hevitra diso eo amin'ny fianakaviana.

Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany

Amen

 

 

 

 


 



Article ajouté le 2008-09-15 , consulté 128 fois

Commentaires


ravo le 16/09/2008 à 12:49:08
Tena marina tokoa io voalaza io saingy tsy mora koa anefa ny manatanteraka azy refa sendra ny ray aman-dreny hentitra ka ny azy ihany no heveriny oe marina
Andosoa le 16/09/2008 à 14:14:45
Ka io hevitrao io mihitsy ry Ravo no mahatonga ilay voalaza etsy ambony hoe : "Mivavaha tsy tapaka" dia hanampy anao ny Tompo! Aza lany andro mamalivaly ny ray aman-dreny fa ankino amin'Andriamanitra fotsiny dia avelao ho Azy ny ady!
Haja le 17/09/2008 à 10:22:14
Marina mihintsy izany! Mila miambina amin'ny fivavahana mandrakariva isika!
Meva le 17/09/2008 à 11:40:17
Tsara sady marina ireo voalaza ireo fa tiako ny mampatsiahy antsika zay mbola manana ray aman-dreny fa sambatra isika manana ireo satria na inona na inona manjo antsika eto an-tany dia eo foana ireo miara-mizaka amintsika ary indrindra moa fidodododona ra sendra hadalana. Marina oe misy ny namana fa ny ray aman-dreny no tena miantoka hatramin'ny farany. Sady hataontsika ahoana moa ny hino an'ny Raintsika zay any an-danitra ra ny ray aman-drenintsika eto an-tany aza tsy hinoantsika teny? Mino za fa isika rehetra dia olona feno fahendrena ka hankato sy hanaja ireo ray aman-drenintsika.
Felana le 17/09/2008 à 12:49:41
Misaotra anao mihitsy nampatsiahy ry Meva satria ny maro amintsika tanora ankehitriny no miandry rehefa tsy hita intsony ny ray aman-dreny vao ho tonga saina.
fitax le 06/10/2008 à 19:55:20
mahafinaritra be foana ny cellule satria ahafahana mandinika bebe kokoa ny SM sy ny zavatra hiainantssika @zao de manentana antsika rehetra mba ho tonga ny mardi 7 octobre zao.
lains le 06/10/2008 à 21:02:27
Ny tenin'Andriamanitra tokoa no tena tsara itondrana ny zavatra rehetra indrindra oe @ fiainana
Andosoa le 07/10/2008 à 10:28:51
Arak'ilay nolazain'i Filoha oe tsy cellule de prière intsony no filaza azy satria efa lasa ao am-piangonana
isika no manao azy dé novaiko oé "Vondrom-bavaka", mety ve io ô?
Ho avy tsara mintsy androany ny fitax a!
Tena marina ny voalazanao lains, aoka hazoto hianatra ny tenin'Andriamanitra isika


Poster un commentaire





http://





Merci de recopier le nombre présent à gauche dans la case de texte ci-dessous ( Pourquoi ? )





Liens

Voir les articles de la catégorie " Vondrom-bavaka "

Retour aux articles