Mardi 04 novembre 2008
Lohahevitra : Dinika manoloana ny lohahevitra fjkm
" Manohitra ny fahalovana"
- Ny atao oe “Fahalovana” :
Avy amin’ny fototeny “lo” izay midika oe “simba tanteraka”
Ny Fahalovana izany amin’ny fiainana kristiana dia “Fahasimbana lehibe ara-panahy” ho an’ny olona iray.
- Ny olona tratran'ny Fahalovana :
Tratran’ny fahalovana ny olona iray rehefa be loatra sy mitombo hatrany ny fahotana vitany.
Toy ny voankazo iray izay nisy simba kely ary rehefa tsy nokarakaraina dia niha simba tsikelikely ary lo tanteraka ny niafarany.
Dia toy izany isika rehefa itambesaran’ny fahotana maro be nefa tsy mibebaka.
- Inona ary ny vahaolana mba ialana amin’ny fahalovana :
- Tenin’Andriamanitra : mila mamaky Tenin’Andriamanitra
- Mivavaka tsy mitsahatra
- Mandray an’i Jeso Kristy Fitiavana
*Fitiavana : Ireo didy folo izay tokony tandremana dia foafehin’ny Fitiavana .Ary ny Fitiavan’Andriamanitra rehefa mibahana ao amintsika dia afaka mizara fitiavana isika ary indrindra miala amin'ireo fahotana rehetra tokony tandremana ireo.
- Mila mibebaka iany ko isika arakizany mba ho fanavaozana ny toem-panahitsika
- Ny fanamafisana ny finoana ihany koa dia zava-dehibe iray afahana manohitra ny fahalovana
Ho an'Andriamanitra irery iany ny voninahitra
Amen

Commentaires