Déjà inscrit au forum ? Identifiez vous ci-dessous ( Mot de passe perdu / Mail de validation non reçu ) :

Pseudo : Mot de passe :

Pas encore inscrit ? Inscrivez vous maintenant au forum !

Accueil du forum >> Vavaka

Ato kosa no ahafahan-tsika mifampitondra am-bavaka !
Vavaka ho an'ny ALI
Meva


Site/blog

86 messages

posté le 2008-09-10 à 13:18:37

Misaotra anao izahay ry Rainay satria lehibe tsy takatry ny sainay ny fitiavana nomenao anay.Antso no nataonao anay tsirairay avy ka nahazoanay nanorina ny fikambananay. Tahio ho eo ambany elatrao mandrakariva izany fikambananay izany ka ny fanahy masina anie handrotsaka fitiavana, fahendrena ,fahazotoana ho an'ny tsirairay avy mba ahazoanay manatanteraka ny asa izay efa nankininao aminay.
Amin'ny anaranao ry Tompo no hanaovanay izany vavakay izany.
Amen

All you have to do is call
and I'll be there.You've got "Jesus"


Andosoa


Site/blog

1532 messages

posté le 2008-09-10 à 15:02:23

Tsy takatry ny sainay tokoa ry Tomponay ny fanampiana omenao ity antoko mpihira izay natsanganao ity!Fisaorana lehibe no atolotray anao amizay rehetra efa nomenao anay sy izay mbola kasainao homena anay!
Tano mafy izahy mba tsy hiala aminao fa arovy amin'ny fanahy masinao ny ankizy tsirairay mba hiroso hatrany fa tsy hisy hihemotra!
Amin'ny Anaranao no anaovanay izany vavaka izany
Amen

Tsara Andriamanitra
There can be miracles when you believe

ravo


Site/blog

107 messages

posté le 2008-09-11 à 10:30:37

Tahionao ry Tompo ity fikambanana tanora ity mba handroso hatrany
Misaotra noho ny fitiavanao
Amen

Felana


Site/blog

82 messages

posté le 2008-09-17 à 13:26:18

Misaotra anao zahay ry Rainay satria afaka mahazo anatra sy fampianarana maro amin'ny alàlan'ity sehatra iray karakarain'ity fikambanana ity. Tahio izy ireo mba hivoatra hatrany sy hahita hevitra maro ahafahana mitory ny Teninao!
Amin'ny Anaranao Lehibe no angatahanay izany
Amen

Mahareta amin'ny fivavahana

lains


Site/blog

405 messages

posté le 2008-09-21 à 22:48:08

Ry Andriamanitra be fitiavana ! Misaotra anao noho ny fitiavanao ny akon'lanitra sy ny nombanao azy ka nahatoy izao ny fikambanana.mety misy anefa ny zavatra tsy nahafapo anay dia mampianara anay ahay ankasitraka izay rehetra mety ho fitantananao sy izay atolotrao.Ary mbola apetrakay eo ampelatananao mandrakariva ny fikambananay. Aza mahafoy na mahasaraka anay na dia tsy mendrika aza izahay. Misaotra Jesosy. Amen

Ampy ahy Jesoa

Haja


Site/blog

62 messages

posté le 2008-09-24 à 14:33:52

Managataka aminao aho ry Andriamanitray mba ho arotsakao amin'ity ALI ity izay mahasoa azy rehetra ka hampandroso ny asa fanompoana izay ataony!

Amen

Homba anao anie Jeso

al


Site/blog

137 messages

posté le 2008-09-30 à 14:43:18

Andriamanitra o, managataka aminao izahay ny mba hitahinao ity fikambananay ALI ity. Angatahinay manokana aminao ny mba hitohizany sy hiroboroboan'ity fitaovan-tseraseranay ity mba ho voninahitry ny anaranao tokoa ny zavatra rehetra ataonay eto. Misaotra tompo malala o.
Amen

LE DIEU D'AMOUR est Fidèle, c'est au croyant de LUI obéir pour être béni.

Haga


Site/blog

551 messages

posté le 2008-12-16 à 06:02:54

Ankininay feno eo am-pelatananao ry Tompo ny fanomanana rehetra momba ny fitoriana zay ataonay amin'ny alahady. Tahio mba ho tomombana soa aman-tsara ny fitaovana rehetra, ary mba ho salama tsara daholo ny tsirairay. Esory ao anatinay zay mety ho tahotra sy fanahiana Jesosy, ahafahanay midera sy maneho ny voninahitrao amim-pifaliana.
Dia misaotra Jesosy ô, Amen.

mifohaza ianao maba handray ny Tompo

Rj


Site/blog

637 messages

posté le 2008-12-19 à 12:50:00

Ry Andriamanitra Rainay tsara indrindra ô! Rainay amin'ny alalan'ny Jesosy Kristy Ianao. Apetraka feno eo am-pelatananao Tompo ô ny concert de Noël izay hataon'ny Akon'ny Lanitra amin'ny Alahady izao. Hitahy ny tsirairay avy anie Ianao. Hanome hery, hanome feo. Hanala izay mety ho tahotra sy ny asan'ny satana rehetra mety tsy ahalavorary izany asam-pitoriana izany.
Hitahy ireo fitaovana rehetra izay ampiasaina amin'izany ihany koa anie ianao Tompo ô! Dia mba ho voninahitrao izany rehetra izany. Misaotra Jesosy! Amen!

Haga


Site/blog

551 messages

posté le 2008-12-22 à 18:32:57

Misaotra anao zahay Jesosy noho ny fitahianao ka nahavitanay soa aman-tsara ny fety omaly. Mahatoky zahay Jesosy fa homba anay mandrakariva ianao am asa hafa rehetra zay mbola kasainay hatao. Amen

mifohaza ianao maba handray ny Tompo

Andosoa


Site/blog

1532 messages

posté le 2009-01-12 à 09:32:34

Mbola velom-pisaorana Anao mandrakariva izahay Jeso noho ny ALI izay mbola mijoro tsara hatramizao.
Mangataka mafy ny "fahamatorana" avy Aminao izahay tsirairay avy satria tsy miafina Aminao ny salan'isan'ny taonanay ao fa mbola tanora tokoa. Ampio sy ampianaro ry Jeso



Amen

Tsara Andriamanitra
There can be miracles when you believe

Meva


Site/blog

86 messages

posté le 2009-02-10 à 12:01:43

Mbola apetraka feno eo am-pelatananao ry Tompo ny fikambananay.Ianao mahay ny zavatra rehetra ary ny fihevitrao tsy fihevitr'olombelona koa mangataka indrindra lay fitiavana avy any aminao ary izahay mba itoetra lalina aty am-ponay tsirairay avy mba hanantanterahanay ny iraka zay nampanaovinao anay.
Misaotra indrindra Tompo ô! AMEN

All you have to do is call
and I'll be there.You've got "Jesus"


Haga


Site/blog

551 messages

posté le 2009-03-18 à 18:03:45

Apetrakay feno eo am-pelatananao koa Jesosy ny fanomanana ny hetsika Paska izay karakarain'ny fikambananay, omeo ny fanahy masinao ny mpikambana tsirairay mba hanana zotom-po hanatrika ara-dalàna ny fianaran-kira, ary handresy ny tahotra ao anatiny ka hahatafita tsara ny hiranao am'reo olona itoriana izany. Dia misaotra Jesosy ô. Amen

mifohaza ianao maba handray ny Tompo

tantely

posté le 2009-03-20 à 08:50:37

Andriamaitra Ray o!misaotra anao tanteraka @fiahianao mandrakariva ny akon'ny lanitra.Ankehitriny dia mangataka aminao indray izahay ny @concert paska izay ho ataonay,aza avela hanana fanahiana na tahotra izahay @zavatra rehetra kasaina ho tanterahina @io fotoana io fa ianao no hiasa mahery aty anatinay tsirairay avy.
misaotra Tompo o!amen

papa


Site/blog

127 messages

posté le 2009-03-27 à 09:18:13

Ray ô! miondrika eto anatrehanao zahay, kely sy bitika tokoa ka mba mangataka ny herinao masina anampy anay @ asa lehibe izay napetrakao aminay, d apetrakay ampelatananao ry Rainay ny fiainan'ny fikamabananay, misaotra tompo ô! Amen.

Avia ary hifandahatra!!

Rj


Site/blog

637 messages

posté le 2009-04-01 à 08:36:36

Ray ô! misaotra anao satria ny fahasoavanao no mbola ahafahanay Akon'ny Lanitra mifanerasera eto amin'ity sehatra ity. Misaotra anao noho ny fitahinao ka ahafahanay mivavaka eto mametraka eo am-pelatànanao ny fiainan'ny fikambananay.
Tsy miafinao aminao Jesosy ô ny haratsianay ka ifonanay eto anatrehanao izany ankehitriny.
Fa ankehitriny izahay dia mitondra am-bavaka indray ny asam-pitoriana izay ho tanterahin'ny Akon'ny Lanitra amin'ny alalan'ny hira amin'ny 12avril ho avy izao.
Apetraka feno eo am-pelatànanao ny fikarakarana rehetra Tompo mba ho tomombana soa aman-tsara ny zavatra rehetra.
Manatreha feno ny répétition rehetra ianao ary miasà mahery amin'ny mpikambana tsirairay avy.
Amin'ny anaran'i Jeso kristy tomponay no anaovanay izany vavaka izany.
Amen!

tantely

posté le 2009-05-05 à 11:52:57

RyRay be fiantra ô!dia tsy mitsahata ny midera sy mankalaza ary misaotra sy manome voninahitra ano indray @zao anio izao,misaotra @fahasalamana sy karazam-pahasoavana izay arotsakao @nay tsirairay avy.mifona Aminao izahay @ tsy fahamendrehanay eo anatrehanao,ary mangataka ny famindram-po avy Aminao.Tompo ô,apetrakay tanteraka eo ampelatananao ny fiainan'ny akon'ny lanitra iray manontolo.Misaotra Ray ô,amen

Haga


Site/blog

551 messages

posté le 2009-05-15 à 20:54:05

Tompo ô! dia mbola misaotra anao mandrakariva izahay noho ny fitahiana omenao anay tsy mitsahatra ka ahafahanay miriaria eo anivon'ny fianakaviana sy fikambananao. Mangataka aminao zahay ry Tompo mba omenao ny Fanahy masinao hitantana ny fiainanay hatrany hatrany ka ahatsiarovanay isa-minitra ny adidy izay noraisinay teo antrehanao, dia ny hidera anao tsy mitsahatra. Ammen

mifohaza ianao maba handray ny Tompo

Haga


Site/blog

551 messages

posté le 2009-11-23 à 14:12:36

Ray ô, apetraka feno eo am-pelatananao ny fanomanana rehetra ny am concert de noel karakarain'ity fikambananay ity. Ianao anie no hanome fahazotoana sy feo ho an'ny tsirairay ahafahan'izy ireo manantanteraka izany amim-pamendrehana ka isehoan'ny voninahitrao mandrakariva. Amen

mifohaza ianao maba handray ny Tompo

Répondre
Pseudo : Adresse e-mail:





Aide ?


Se souvenir de mes infos ( pseudo et e-mail ) :



Merci de recopier le nombre présent à gauche dans la case de texte ci-dessous ( Pourquoi ? )







Pour insérer une image dans votre message, cliquez sur " Parcourir ", sélectionnez l'image puis cliquez sur " Héberger l'image ". Vous obtiendrez alors les codes de partage.