Déjà inscrit au forum ? Identifiez vous ci-dessous ( Mot de passe perdu / Mail de validation non reçu ) :

Pseudo : Mot de passe :

Pas encore inscrit ? Inscrivez vous maintenant au forum !

Accueil du forum >> Vavaka

Ato kosa no ahafahan-tsika mifampitondra am-bavaka !
Vavaka ho an' i Tanindrazana
Meva


Site/blog

86 messages

posté le 2009-01-28 à 09:13:52

Apetrakay eo am-peletananao ry Rainay ô! ny tanindrazanay izay mikorontana ankehitriny.
Hifonanay aminao ry Ray izay zvtr rehetra ts nety nataonay ka nifanohitra t@ sitraponao.
Ray ô, tahio ny nosinay, Atafio anay ny fitiavana, ny famindram-po, ny fanetre-tena amin'izao fotoana mafana eto @ firenenay izao.
Ray ô! henoy ny vavakay, AMEN

All you have to do is call
and I'll be there.You've got "Jesus"


Andosoa


Site/blog

1532 messages

posté le 2009-01-28 à 12:54:57

Mitalaho aminao izahay ry Ray be fitia mba hovahanao ity olàna lehibe mianjady amin'ny firenenay ity.
Ahitsio izay tsy mety ary toroy hevitra ny tsirairay!
Arotsay eto Madagasikara ny Fanahy Masinao

Amin'ny anaran'i Jeso

Amen

Tsara Andriamanitra
There can be miracles when you believe

Rj


Site/blog

637 messages

posté le 2009-01-30 à 11:55:06

Tsy miafina aminao Tompo ô ny zava-misy eto amin'ity taninay ity ankehitriny. Ianao nefa Tompo no efa nilaza fa Hianao no hiady fa izahay kosa hangina. Dia hamarino aminay izany teninao izany Ray malala ankehitriny. Ampitoero amin'ny tsirairay avy ny Fanahinao Masina Tompo ô ary fenoy fandeferana ny malagasy rehetra manoloana ny zava-misy ankehitriny.
Dia manantena izahay fa haverinao amin'ny laoniny tsy ho ela ny fianam-pirenenay.
Misaotra Ray ô!
Amen!

Rj


Site/blog

637 messages

posté le 2009-02-02 à 14:24:33

Iza no nanatrika an lé Vavaka ho an'ny Tanindrazana omaly kay.
Zà tena tsy afaka fa nisy adidy tampoka tsy maintsy nefaina.
Androany koa anefa mbôla mirava @ 18h.
Rapitso ngamba vao ho afaka.

Haga


Site/blog

551 messages

posté le 2009-03-04 à 15:45:20

Mangataka ny famelan-keloka avy aminao zahay Jesosy ô, noho ny adalan'ny vahoakanao sy ny fitiavan-tenan'ny olom-bitsy, ary mangataka ny fitahianao ho an'ity firenenay ity. Amen

mifohaza ianao maba handray ny Tompo

Haga


Site/blog

551 messages

posté le 2009-03-04 à 15:47:46

Mba tahio koa Jesosy ireo vahoakanao izay tsy manan-kohanina noho izao korontana izao, ianao anie no hanome azy ireo sakafom-panahy, ahafahany mandresy ny tahotra, ary koa sakafo ho an'ny vatany mba hananany hery hanompoana anao sy hampielezana ny voninahitrao. Amen

mifohaza ianao maba handray ny Tompo

Haga


Site/blog

551 messages

posté le 2009-03-18 à 17:59:28

Tompo ô, dia mbola tsy mitsahatra ny mitondra ny ho avin'ny firenenay eo am-pelatananao zahay am'zao fotoana izao. Ny fanahy masinao anie hanazava ny sain'ireo mpitondra mba hieritreretany marina ny mahasoa ny vahoaka alohan'ny tenany. Zany sy izay rehetra mahasoa ry Tompo dia apetraka feno eo am-pelatananao

mifohaza ianao maba handray ny Tompo

Hery


Site/blog

108 messages

posté le 2009-08-04 à 23:17:41

Andriamanitra ô! mitalaho Aminao izahay mba amindrao fo ity tanindrazanay ity! na dia noho ny amin'ireo mahantra tsy manan-ko hanina, ireo kamboty tsy fidiny, ireo tsy manan-tsiny fotsiny ihany aza Tompo ô! Ambavahoanan'ny loza izahay Ray ô ka mangataka ny famonjena avy Aminao! Amin'ny Anaranao Jesoa Zoky be fitia no anaovanay ny vavaka. Amen

Ankino amin’i Jehovah ny lalanao ary matokia Azy fa hataony tanteraka."

rama


Site/blog

151 messages

posté le 2009-09-14 à 09:28:24

misaotra anao!mifona aminao zahay!fa mpaniasia!tsy mahay mankasitraka ny lahatra sy tendrinao!ka mangataka ny famindramponao hoan'i MALAGASY rehetra mba hiadana sy hisian'ny fahamarinana,sy ho masina izahay !tahio Madagasikara mba hiverina ny Fandriampahalemana sy fahamarinana JESOSY amin'ny anaranao irery iany AMEN.

Répondre
Pseudo : Adresse e-mail:





Aide ?


Se souvenir de mes infos ( pseudo et e-mail ) :



Merci de recopier le nombre présent à gauche dans la case de texte ci-dessous ( Pourquoi ? )







Pour insérer une image dans votre message, cliquez sur " Parcourir ", sélectionnez l'image puis cliquez sur " Héberger l'image ". Vous obtiendrez alors les codes de partage.