Déjà inscrit au forum ? Identifiez vous ci-dessous ( Mot de passe perdu / Mail de validation non reçu ) :

Pseudo : Mot de passe :

Pas encore inscrit ? Inscrivez vous maintenant au forum !

Accueil du forum >> Vavaka

Ato kosa no ahafahan-tsika mifampitondra am-bavaka !
Vavaka ho an'ny Tanora
Andosoa


Site/blog

1532 messages

posté le 2008-09-08 à 15:47:52

Tsara raha tsy mitsahatra mivavaka isika Tanora satria ao anatin'izany fotoana izany no tena manakorontana antsika koa ny ratsy!

Dernière modification le 09-09-2008 à 16:30:25

Tsara Andriamanitra
There can be miracles when you believe

ravo


Site/blog

107 messages

posté le 2008-09-09 à 09:32:20

Vavaka ho an'ny Tanora Malagasy!

Velom-pisaorana anao izahy ry Jeso zokinay Tanora, fa nomenao ity toerana ity ahafahany mivondrom-bavaka aminao. Tsapanay tokoa ny halehiben'ny fitiavanao anay, ka isaoranay indrindra. Mamelà anay Tanora noho ireo ditranay maro be; mampianara anay isan'andro ianao, ary fenoy ny fanahy masinao izahay mba tsy ho voavilin'ny satana amin'ny lalan-dratsy!
Amin'ny Anaranao no anaovanay izany vavaka izany
Amen

Andosoa


Site/blog

1532 messages

posté le 2008-09-09 à 09:44:32

Tsy misy miafina aminao ry Jeso Tompo tia anay ireo zavatra ratsy maro iainanay Tanora Malagasy ankehitriny! Miha-sahisahy izahay; tsy misalasala intsony fa lasa tia mandainga; tsy mankato Ray aman-dReny; lasa mihevitra fa ny fandraisana zava-mahadomelina, sy ny fanarahana ny rendrarendran'izao tontolo izao dia midika fivoarana sy fialam-boly mahafinaritra,... Simba ny fihevitray tanora ry Tompo! Ampio izahay ary ahitsio raha sitrakao! Aza avela ho lasa any amin'ny fahaverezana!
Matoky ny famindram-ponao zay ry Ray be fitiavana!
Amen

Tsara Andriamanitra
There can be miracles when you believe

Felana


Site/blog

82 messages

posté le 2008-09-11 à 14:08:42

Ry Tompo Andriamanitray! Vonjeo izahay tanora ankehitriny fa efa miha-mivarilavo, sy tsy misy manam-po zay iafaranay akory! Avoty amin'ny tana-maherinao izahay
Amin'ny Anaran'i Jeso
Amen

Mahareta amin'ny fivavahana

Meva

posté le 2008-09-17 à 11:49:35

Ry Tompo tsara indrindra ô! Ianao no sakaiza ny tanora, ianao lay zoky be fitia , arovy lalandava izahay mba tsy ho potraka eto amin'ity fiainana ity. Omeo anay fitiavana, fahatsoram-po, faharetanana, fanahy hendry mba ahazohanay mamakivaky ny lalan-tsarotra izay mbola ho diavinay satria hazo fijaliana tokoa no holanjainay amin'iny lalana iny.Misaotra Tompo amin'ny zavatra rehetra asehonao amin'ny fiainanay.AMEN

lains


Site/blog

405 messages

posté le 2008-09-21 à 23:17:40

Ray o! dera sy laza ary voninahitra no anterinay ho anao. Misaotra Anao indrindra noho ny fanomezanao ny vanim-potoanan' ny fahatanorana. nefa Tompo mifona aminao izahay fa maro ny fahotanay tanora izay tsy misy miafina aminao. koa maniry izahay ry Tompo mba ho avotanao sy ho tahianao satry maro ny fankampanahy te hamely anay. ary izay efa voagejan'ny ratsy dia mba afaho @ tananao mahery.Ampidino ao anatinay ary ny Fanahinao Masina mba hanoro ny làlana tokony hizorany araka izay sitrakao.Raiso Tompo ny vavakay amen

Ampy ahy Jesoa

rama


Site/blog

151 messages

posté le 2009-09-22 à 16:33:18

amen!

Répondre
Pseudo : Adresse e-mail:





Aide ?


Se souvenir de mes infos ( pseudo et e-mail ) :



Merci de recopier le nombre présent à gauche dans la case de texte ci-dessous ( Pourquoi ? )







Pour insérer une image dans votre message, cliquez sur " Parcourir ", sélectionnez l'image puis cliquez sur " Héberger l'image ". Vous obtiendrez alors les codes de partage.